Zaza latsaky ny dimy taona iray tapitrisa isan-taona no fantatra na mamoy ny ainy manerantany vokatry ny aretin-kibo sy pnemonia.
Eto Madagasikara dia ny any amorontsiraka no tena lasibatr’izany noho ny tsy fananan’ny ankamaroan’ny isan-trano toeram-pivoahana. Mahazo vahana noho izany ny aretina indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra sy ny vanim-potoan’ny rivodoza. Vokatry ny loto mankany am-bava entin’ny tanana no mahatonga ireo aretina ireo. Azo sorohina tsara anefa izany amin’ny alalan’ny fanasan-tanana amin’ny savony. Ho an’ny mpianatra eny anivon’ireo sekolim-panjakana manokana dia fantatra fa hisy ny fampitaovana azy ireny mba hananan’ny ankizy mpianatra tanana madio lalandava. Nomarihina ny sabotsy 15 oktobra 2016 teo ny andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana amin’ny savony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.