Mbola hitoeran’ny disadisa ara-politika mandraka ankehitriny ny fampiasana ny kianjan’ny 13 mey 72 noho ny tahotr’ireo mpitondra nifandimby ny mety hiverenan’ny fanonganam-panjakana manomboka eo aminy.
Ny zava-misy eny an-toerana anefa dia lasa toerana raikitra hitobian’ireo mahantra na 4-Mi ny araben’ny fahaleovantena etsy Analakely ankehitriny, tsy misy fitsaharany na andro na alina. Eny no ahitana ireo 4-Mi mangataka etsy sy eroa vao mangiran-dratsy, eny ihany koa no hanendahan’izy ireo ny mpandalo na teratany na vahiny. Mbola eo ihany koa no hanahazan-dry zareo ny lambany an-kalamanjana sy toerana hisakafoanan’izy ireo. Eny ihany koa no toerana hatorian-dry zareo tsy mirako-damba (jereo ny sary ) rehefa rera-dahasa ny alina manontolo. Ny mampalahelo dia eny amin’ity araben’ny fahaleovantena Analakely ity koa no toeram-pivoahan-dry zareo ka zary maloto feno tay sy pipy ny manodidina ary mamofona dia mamofona.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.