Tontosa ny fanadiovana sy fanamboarana tatadrano lehibe na ovoïde tao ambanin’ny Arabe Andrianampoinimerina eo Analakely.
Nanomboka teny Andohanan’Analakely ary nifarana teo amin’ny Lycée J.J Rabearivelo ny asa izay tafiditra tao anatin’ny tetikasa PIAA (Programme Integré d’Assainissement d’Antananarivo). Manomboka eto, heverina hihena ary tsy ho tonga eny amin’ny arabe intsony ny fiakaran’ny rano rehefa fahavaratra. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny PIAA eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Hariravo Andrianarivelo, dia omena ny CUA, APIPA ary ny SAMVA ny fitantanana sy fikojana ity fotodrafitrasa ity. Efa manomboka misokatra bebe kokoa amin’ny fifamoivoizana noho izany ity Arabe Andrianampoinimerina ity ary manentana ny mponina mba tsy hanary ny fako any anatin’ireny lakandrano ireny intsony ho fikojakojana ny fotodrafitrasa ireo tompon’andraikitra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.