Actualités

“Application Tia Tanindrazana” Tolotra ho an’ny mpankafy teknolojia


  • Zoma 21 Oktobra 2016

Efa mivoatra ny teknolojia ary tsy tara amin’izany ny Gazety Tia Tanindrazana mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa izay efa ana hetsiny ankehitriny.

Samy manana ny tandrify azy ny tsirairay ka ho an’ireo mpikirakira ny finday avo lenta “android” sy ireny “tablette” ireny indray no namoronana ny “application Tia Tanindrazana”. Mirona betsaka amin’ny tontolo nomerika ity tolotra ity ka amin’ny alalan’ny fampidirana io “application” io ao anatin’ny finday no hahafahana mijery ireo lohatenin-gazety mivoaka isan’andro, ireo sarisary isan-karazany toy ny fampihomehezana sy fialamboly izay efa misy karazany maro amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny gazety an-tsoratra efa azon’ny rehetra jifaina isan’andro dia azon’ny mpampiasa teknolojia, indrindra fa ny tanora ampiasaina hijerena ireo vaovao sasantsasany mivoaka isan’andro sy ireo vaovao tsy hita any anatin’ny gazety ny fampiasana ny finday. Tsotra ny fanaovana azy ary maimaimpoana satria rehefa manana tolotra « Internet » sy ireny finday avo lenta ireny dia afaka misitraka azy. Miditra ao amin’ny « Google Play Store » ary tadiavina ny hoe : “Tia Tanindrazana” ka hampidirina ao amin’ny finday. Aorian’izay dia tonga eny am-pelatananao ny sarisary isan-karazany sy ny vaovao maro samihafa.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT