Zava-doza no niseho tao Antsiranana ny sabotsy teo. Nirehitra ary may kila forehitra ny “Service Domaine” na ny sampandraraharaha misahana ny fananan-tany any an-toerana noho ny firehetana tsy voafaritra mazava ny antony.
Nisy ny famonoana afo nataon’ny mpamonjy voina ao an-toerana, toy ny an’ny seranam-piaramanidina, saingy tena henjana ny fahavoazana. Tsy misy azo noraisina ireo antontan-taratasy rehetra tao amin’ity sampandraharaha ity, raha ny fidedaky ny afo. Mety hiteraka olana ho an’ny fananan-tany any an-toerana izao toe-draharaha izao satria maro ny dosie lasa lavenona, ka mety hisian’ny fanararaotana. Dosie efa an-taonany marobe rahateo matetika no tehirizina amin’ireny sampandraharaha ireny, ary anisan’ny manampy amin’izao ny fisian’ny tahirin-kevitra ara-informatika, saingy ireo dosie taty aoriana no mety hisy an’izany raha nisy ny fitehirizana ivelan’ny toeram-piasana fa tsy may niaraka tamin’ny solosaina tao. Andrandraina ny hisian’ny vahaolana eo anatrehan’ity toe-draharaha any Antsiranana ity mba tsy hiitatra zavatra hafa indray.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.