Nadio ihany nony ela ny ela ny Lapan’ny tanŕnan’Antsirabe rehefa niala ireo sorabaventy isan-karazany naneho fitakiana nandritra ny taona maro nanoloana sy nadravaka azy teo. Raha ny resaka farany dia niakatra fitsarana mihitsy ity raharaha ity satria rehefa nisy ny sakana nataon’ireo mpiasa hanakatona ny biraon’ny kaominina
dia raikitra ny savorovoro sy ny ompa nahazo ny Pds. Nakarin’ity farany tany amin’ny fitsarana ny raharaha satria noraisiny ho fanalam-baraka azy ny ompa natao azy ka tonga hatrany amin’ny fampanoavana izany, izay nahavoarohirohy mpiasa am-polony. Nisy ny fifandaminana teo amin’ny mpitantana sy ny mpiasa ary ny OMC ka dia samy nilefitra ny roa tonta ary nanao fifonana faobe ireo mpiasa ho tambin’ny fanatsoahana ilay fitoriana tany anivon’ny fitsarana.Nananan’ny mpitory porofo tamin’ny alalan’ny video sy sary ary feo moa ireo tranga ireo ka nahafahany niady teny anivon’ny fitsarana. Raha ny fanazavana tamin’ny Atoa Pds, Razafindrainony Lala Marie Beryl, ihany dia nisy mihitsy ny taratasy fiakena hadisoana nosoniavin'ireo mpiasa ireo, ny faran'ny herinandro lasa teo, izay saika hovakiana amin’ny haino aman-jery mihitsy saingy tsy tanteraka izany noho ny tsy fifanarahana sy lasa karazana fibabohana amin’ny mpitondra ka tsy natao indray no nambaran’ny mpiasa sasany isan’ireo voakasika fa noterena fotsiny izy ireo no nosasana atidoha no antony nanasoniavana izany.Niato araka izany ny fitokonana ary efa misy ny niverina niasa ireo mpiasa na dia mbola eo aza ny fitakiana ireo karama 4 volana tsy mbola azo, izay nampanantenain’ny fitondrana fa haloany.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.