Actualités

Antsirabe renivohitra Menaka rongony tratran’ny polisy tao Vatofotsy


  • Talata 13 Oktobra 2015

Lehilahy iray indray no tratra nitazona sy nikasa hivarotra menaka rongony tao Antsirabe. Tokony ho 1 litatra teo ity tratra tao Vatofotsy ity noho ny fanomezam-baovao avy tamin’olon-tsotra ny faran’ny herinadro lasa teo.

 

 

Natolotra ny fitsarana avy hatrany ilay lehilahy fa mbola misy ny fanadihadiana hafa hatao aminy, raha ny nambaran’ny lehiben’ny polisy Vakinankaratra. Notsipihin'i Kaomisera Talily Damy, fa izao vokatra azo izao, dia noho ny fampiharan'izy ireo ny fomba fiasa sy ny lohahevitra noraisin'ny polisim-pirenena mandritra ny fanamarihana ny faha-54 taonany teo, dia ny polisy miray hina, manaja fitsipi-pifehezana ary manakaiky ny vahoaka. Misy mantsy ankehitriny ny fiaraha-miasan'izy ireo akaiky amin'ny vahoaka eny ifotony sy isam-pokontany, ary efa misy aza ny boky manokana mipetraka any amin'ny fokontany hametrahana izay zavatra tsara ho fantatry ny polisy na lisitr'ireo olona tsy manan-katao sy mirenireny fotsiny, na izay olona hita ho mampiahiahy koa. Manomboka mandeha ny fidinana ifotony ataon’ny mpitandro ny filaminana eny amin'ny fokontany izay hijerena ifotony ny olana misy eny hanatrarana io fandriampahalemana io, ary manentana hatrany ny vahoaka izy ireo amin'ny fanomezana ny loharanom-baovao.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT