Mbola mitohy ary tsy tapaka hatreto ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena Norvezianina sy ny kaominina Antsirabe renivohitra.Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa fiarovana ny tontolo iainana izay efa fiaraha-miasa hatramin’izay dia nisy ny fanofanana niarahan’ny roa tonta ka niompana tamin’ny lafiny famokarana angovo azo havaozina izany dia ny Biôgazy na ny etona azo avy amin’ny zezika mineraly
Mpiofana niisa 25 ka nahitana sefo fokontany 15 avy any amin’ireo fokontany be fiompiana omby no sady mpamboly ihany koa no nofanina tao amin’ny Espace Rojo Antsirabe ka raha ny nambaran’Atoa Ranarisoa Maminirina tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antsirabe dia fampiofanana ireto mpandray anjara ireto mba ho mpampiofana ka ny hampita izany any amin’ireo manodidina azy no andrasana amin’izy ireo. Avo lenta sy manaraka ny fenitra ny fiofanana satria mpampiofana avy any amin’ny sekoly ambony ISSEG Antananarivo, notarihin’Atoa Razafy Robert izany no nisahana izany. Nambarany fa tombontsoa lehibe ny fampiasana ny Biôgazy amin’ny fampihenana ny famotehana ny ala sy ny saribao no fitsonjovana ihany koa ny tontolo iainana. Fantatra ihany koa fa mora kokoa ny fandaniana satria rehefa voapetraka ny fitaovana dia hatramin’ny herinaratra aza dia azo avy aminy ihany koa, izay mora lavitra nohon’ny an’ny Jirama izany.Ny fiofanana an-trano moa ity nifarana na faran’ny herinadro lasa teo ity fa mbola hisy ny fampiharana eny an-tanàna mihitsy ka hisy ny fampianarana mivantana amin’ny fandrafetana ny lavaka sy ny kojakoja famokarana mihitsy ny Biôgazy amin’izany. Hatreto moa dia mbola ireo fikambanana maro samihafa tantanan’ny vahiny no tena mampiasa ity Biôgazy ity raha ny eto Antsirabe fa tsy dia mbola mahasarika loatra ny mponina maro izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.