Nahitana fatim-behivavy iray tao Antsirabe tsy lavitry ny tranon’ny Ben’ny tanàna Paul Razanakolona ny alin’ny talata 01 janoary 2019, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany.
Tsy nisy nahafantatra aloha hatreto ity tovovavy ity hatramin’izao ka dia napetraka ao amin’ny tranom-paty. Raha ny fanazavana nomen’ny mpitsabon’ny BMH sy ny mpitandro ny filaminana dia olona no nampandre azy ireo ny fisian’ity razana ity. Rehefa natao ny fitsirihana dia tsy nahitana tranga mampiahiahy ny vatan’ilay zazavavy saingy noheverina fa mety efa maty tany amina toerana hafa izy ity vao nariana teo. Tombanana ihany koa fa toa nosemporina tamin’ny “sachet” satria mbola nahitana izany teo amin’ny lohany tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Raha ny tombantomban’ny mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana ihany dia mety saika haolana na nisy zavatra saika hatao tamin’ity zazavavy ity saingy mety safotra na torana izy dia novelomina sy notopazana rano novelomina saingy tsy tana ny ainy. Tsy nisy nahafantatra ny hatramin’izao moa ity vehivavy ity ary mbola ao amin’ny tranom-paty aloha hatreto.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.