Actualités

Antsirabe In’efatra nihetsika ny tany


  • Alatsinainy 13 Martsa 2017

Miteraka savorovoro amin’ny sain’ny mponina Antsirabe ny fiverimberenan’ny horohorontany tato ho ato. Anisan’ny niteraka resabe mantsy mety hisian’ny fipoahana volkano taorian’ilay horohorontany mafy dia mafy farany iny, izay tsy maty am-pon’ny maro.

Miteraka savorovoro amin’ny sain’ny mponina Antsirabe ny fiverimberenan’ny horohorontany tato ho ato. Anisan’ny niteraka resabe mantsy mety hisian’ny fipoahana volkano taorian’ilay horohorontany mafy dia mafy farany iny, izay tsy maty am-pon’ny maro. Tato ho ato tokoa dia matetika miverina ny horohorontany na dia vetivety aza, ary maro no mahatsapa izany, eny fa na hatramin’ny kilonga madinika aza. Ny alin’ny alarobia 8 martsa dia nihetsika ny tany, tokony ho tamin’ny 10 latsaka fahefany alina ary niverina indray izany ny maraina vao mangiran-dratsin’ny alakamisy 9 martsa. Ny harivan’ny zoma 10 martsa indray dia niverina nihetsika ny tany ary nitovitovy ihany ny ora nihetsehany ary in-droa ihany koa izany, izay fantatra fa hatrany Fandriana tany dia naheno avokoa. Miverina indray ny ahiahin’ny mponina momba ny resaka volkano satria tena mateti-piavy ny horohorontany ao Vakinankaratra. Mila araha-maso akaiky.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT