Tovolahy iray 30 taona no tsy mbola hita hatramin’izao raha ny 08 janoary lasa teo no nitrangan’izany, tany amin’ny Kaominina Ambano, Antsirabe faharoa.
Raha ny angom-baovao dia ranon-trambo no nitondra ity ranamana ity satria tsy dia goavana loatra ny renirano niampitany. Tsiahivina fa tamin’io andro io dia nanodidina ny 5 ny olona lasan’ny rano ka nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny manodidina an’Antsirabe, anisan’ireny ilay zazalahy 12 taona tao amin’ny ranon’ny Sahatsio izay naharitra herinadro vao hita ny razana, tany sahanivotry Manandona. Ankoatra izay dia mpiasan’ny orinasa afaka haba ihany koa no lasan’ny rano tamin’io fotoana io. Mbola manantena ny hahita ity zazalahy ity moa ny fianakaviany amin’izao fotoana ka mbola manao antso avo amin’ny mpiara-monina.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.