“Tsy misy mpihaino” ! Izay no azo ilazana ireo mpampianatra Fram avy any amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa izay tsy mbola nandray ny tambin-karamany hatramin’izao,
ireo namany anefa efa handray ny manaraka. Omaly alatsinainy 11 aprily 2016, dia niakatra nanoloana ny biraon’ny Dren Vakinankaratra izy ireo naneho ny tsy fahafaliany, saingy tsy tratra tao ny talem-paritry ny fanabeazana. Tsy tao moa ny tompon’andraikitra ka nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo ary nambarany fa mbola tohin’ny fitakiana ny karama no fototry ny olana. Amin'ny maha raiamandreny voalohany ny talem-paritra, dia ety izahay no hitady fanazavana, hoy Andrianantenaina Emile, filoham-paritry ny sendikan'ny mpampianatra Fram Aneffa. Lafin-javatra maromaro no tena notakian'izy ireo toy ny "vacation" ho an'ny fanadinana Cepe, efa tamin'ny taona 2014 no mbola nisy tsy nandray ireo mpampianatra ireo. Ankoatra izay, toherin'izy ireo koa ny tsindry hazo lena sy fampitahorana momba ny famindran-toerana, raha vao misy tsy mahafaly ny tompon’andraikitra. Farany, dia ny tambin-karaman'izy ireo izay am-bolana maro no tsy voaloa satria ao Antsirabe II fotsiny, dia misy Zap 4 ahitana mpampianatra 130 mahery no tsy mbola nomena izany hatramin'ny septambra 2015.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.