Tsy maharesy lahatra ny mponina mihitsy ny fanazavana sesilany momba ireny fametrahana pylone na andry vy goavam-be ho an’ny fifandraisan-davitra ireny.
Tsy mety vita mantsy ny olana ao Antsirabe avaratra momba ity resaka ity izay efa nifamonoan’ny mpiray tanàna mihitsy. Mbola misisika ny hametraka azy ireny hatrany ilay orinasa tompony ka dia nanaovan’ny olona sorabaventy mihitsy ho fanoherana. Vory lanona ny mponina nanodidina, toy ny talen-tsekoly, teratany vahiny ary ny vaditany. Nambaran’izy ireo fa tsy marina ny filazan’ny minisitera momba ny tsy fisian’ny olana satria fampiasana finday ela loatra fotsiny aza dia miteraka olana mainka fa ny fitaovana mitondra tambajotra an’aliny ve tsy hisy olana ? Nilaza ny hanohitra hatramin’ny farany ny fananganana ity andry lehibe ity ireo mponina manodidina. Ny 12 desambra teo no farafametrahana fitarainana any amin’ireo mponina ka dia ny azy ireo no nataony tonga aloha.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.