Actualités

Antsahalava - Ambatolampy Mandrahona hamalifaty ny jiolahy


  • Alarobia 03 Febroary 2016

Nanafika tao an-tanànan'Angodona Anosiravo, Kaominina Antsahalava, Distrika Ambatolampy ny jiolahy herinandro lasa izay. Raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano voatifitra tamin'io fotoana io.

Efa-dahy tena nandray anjara mivantana tamin'ity fanafihana ity no voasambotra taorian’io vokatry ny fiaraha-miasan'ny zandary sy ny Fokonolona, ary nidoboka am-ponja rehefa natolotra ny fitsarana ny alatsinainy teo. tsy hita kosa ny basy nampiasain’izy ireo.

Ankehitriny dia mandrahona ny hamalifaty ny fianakavin’ny maty sy voatafika indray ny naman’ireo jiolahy. Mihorohoro ireto fianakaviana nanana ny maty ireto, manoloana izany. Fanirian’izy ireo ny mba hamindrana hiala tao amin'ny fonjan'Ambatolampy ireo jiolahy naiditra am-ponja ireo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT