“…Tsy manaiky ny fizarana seza isika, tsy misy seza ho an’ireo teo aloha intsony izao, fa aleo hitondra fampandrosoana nosoratany ny HVM…”.
Anisan’ny nambaran’Atoa Rakotovao Rivo io raha namarana ny fihaonamben’ny mpikatroka HVM, Hery Vaovao ho an’i Madagasikara izy, ny sabotsy tolakandro teo. Fihaonamben’ny antoko natao nandritra ny roa andro teny amin’ny “Futura” Andranomena, ka niatrehan’ireo mpikatroka ny antoko manerana ny nosy niisa mahery ny 4.000 raha tsy nanantena afa-tsy 700 tany am-boalohany ireo komity mpanomana. “HVM, mifanome tanana ho an’ny fampandrosoana”, no lohahevitra nitondran’izy ireo ny fihaonambeny. Nambaran’ity filohan’ny antoko HVM ity ihany anefa fa “antoko mahazaka tsikera ny HVM, antoko mihaino ny malagasy, ary antoko mizara fitiavana ihany koa”, izay araka ny nambarany hatrany no mahatonga ny HVM ho antoko “Socio-Liberale”. Nandritra ny fihaonambe ihany koa no nilazan’ny praiminisitra Kolo Roger, izay tsy hay na niofo ho HVM na nijanona tamin’ny antoko nilatsahany ho filoham-pirenena ihany, fa “antoko velona ny HVM, tsy tahaka ireo antoko politika poak’aty mpimenomenona sy mpitsikera amin’izao fotoana izao ireo. Ny filohan’ny antenimieram-pirenena izay mpitarika ny antoko leader fanilo kosa, dia nanamarika fa “mila mailo isika mpiara-dia amin’ny filoham-pirenena, betsaka ny manao fitiavan’amalona sy havako raha misy patsa ary herana handratra ny hafa fotsiny ankehitriny”. Ankoatra izay, raha ny zava-nisy nandritra ny roa andro ny fihaonamben’ny HVM tao Andraharo dia ny ho fanomanana sahady ny fifidianana ben’ny tanàna hitranga ny volana jolay 2015, milaza ny hameno ireo kaominina 1.500 mahery eran’ny nosy izy ireo, ary hanao izay hahazoana ny ben’ny tanàna maro indrindra eto Antananarivo ihany koa. Ankoatra izay, dia tsy hita nandritra ny fihaonambe ny vondrona Ambodivona, tsy hita koa ny minisitry ny indostria anisan’ny namela ny toerany ho an’ny HVM. Tazana tao kosa ry Mamy Rakotoarivelo, Roland Ratsiraka, Ndahimananjara Johannita, Lanto Rakotomavo, ary depiote Mapar sasany. Nofidiana manokana ihany koa ny famaranana ny fihaonambe ny 20 desambra teo, satria feno herintaona tamin’io ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa .
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.