Actualités

ANTOHOMADINIKA Sarona Rafredy mpanendaka finday


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Tovolahy iray antsoina hoe : Rafredy, 21 taona mipetraka eny Antohomadinika, no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny “Poste de Police de Proximité” Antaniavo teo am-pisintonana findaina tovolahy iray.

 

Ny sabotsy 10 oktobra lasa teo no nisehoan’izany teny Antohomadinika manakaiky  ny toby fiantsonan’ny taksibe mihazo an’i Mahitsy tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Tamin’ny famotorana natao azy no nilazany fa vao sambany izy no nanao io asa ratsy io dia izao tratra izao raha efa betsaka ireo mpandalo eny no lasibatra. Nilaza ihany koa izy fa noho ny tsy fananany vola no nahatonga azy hanao izao asa fanendahana  izao. Natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo ny lehilahy ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT