Actualités

Antevamena - Miandrivazo Dahalo roa maty voatifitry ny miaramila


  • Zoma 11 Martsa 2016

Nisahotaka sy samy nanavotr’aina ny vahoaka noho ny poa-basy andro atoandro.

 

Nitrangana fanafihana-dahalo hafakely tany Soaserana Antevamena, Kaominina Vatolahy distrikan’i Miandrivazo, ny talata 8 martsa, fankalazana ny Andron’ny vehivavy. Dahalo fito nirongo basy no nanafika. Raha vao tonga teo an-tanàna ireto malaso, tonga dia nanao tifi-danitra. Nisy miaramila roalahy mpampandry tany avy amin’ny DAS anefa teo, ka raha vao nahita an’ireto farany ireo dahalo dia nitifitra avy hatrany. Namaly bontana ireo miaramila ka raikitra ny fifadonana. Dahalo roa no maty lavon’ny bala, raha nitsoaka nandositra kosa ny namany dimy izay voalaza fa nisy naratra.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT