Zazarano lahikely no hita tao anaty lava-piringana tokantrano iray, omaly naraina tetsy Antetezana Afovoany, tokony ho tamin’ny 6 ora tany ho any
. Ramatoa tompon-trano handeha hanary maloto vao maraina no nahita ny razana. Taitra ity renim-pianakaviana ity ka nihoraka ary nanaitra ny manodidina nampahafantatra ny zava-nisy. Raha ny fanazavana azo dia mety ny alina no nisy nanary tao anaty lava-piringan’olona ity tsy manantsiny. Mety ny tolakandron’io no nanalana azy tao an-kibon-dreniny. Raha ny vaovao azo hatrany dia feno avokoa ny taova maha olombelona azy (enim-bolana eo ho eo). Ankevitry ny tsy nahita toerana nandevenana na nanariana azy ilay mpanala zaza satria ny ankamaroan’ny tany amin’iny faritra iny moa dibodrano.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.