Lehilahy iray sahabo 30 taona nisara-bady manan-janaka roa, mpanao karama an-tselika no saika matin’ny hatezeram-bahoaka, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora sy 30 minitra tetsy Antetezana Afovoany.
Tovovavy mpantsaka rano 14 taona no naolany, kanefa teo am-panatanterahany ny filan-dratsiny izy no tafaporitsaka tampoka rakalakely ka niantso vonjy. Poa toa izay dia vory ny olona teo amin’ny manodidina izay samy nanala ny fony. Raha nisy kely ny hatezeran’olona dia saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibeny.
Notambazan-dRasta 2 000 ariary
Rehefa nofotorana “Rasta”, izay fiantsoan’ny olona azy, nody adala ary nilaza fa ilay ankizivavy no nisarizoro nanaiky niaraka taminy, satria “ foza orana hono ” ka nety niray taminy rehefa notambazany roa arivo ariary. Raha ny voalazan’ny manodidina sy ireo mpiara-belona aminy dia mamoa-doza foana ity raim-pianakaviana ity isaky ny mamon-drongony. Izany no nisarahan’ny vadiny azy noho ny henatr’olona. Tato ho ato raha ny tati-baovao dia maro amin’ireo tovovavy mitoby amin’ireny trano natokana ho an’ny traboina ireny no voaolana, kanefa tsy afa-mitory noho ny tahotra. Tsy ferana ny fivarotan-tena manara-penitra noho ny herin’ny vola sy ny kibo tsy mba lamosina.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.