Actualités

Antenimierandoholona Misedra olana ara-bola


  • Zoma 16 Septambra 2016

Tamin’ny fivorian’ny birao maharitra dia efa nanapaka ny mikasika raharaha Lilyson ny fitsarana, hoy ny filohan’ny antenimierandoholona,

 Honore Rakotomanana, ka noho izany dia anjaran’izay manenjika ny senatera Lilyson no manala ny “immunité parlementaire” ananany. Isika manaja ny fitsipika mifehy ny fehezan-dalàna na ny “principe générale de droit”, hoy ny birao maharitra ary ny fitsinjaram-pahefana sy ny fifampifandanjam-pahefana. Ny antenimierandoholona no mampifandanja ny fahefana. Fantatra io omaly io koa fa somary sarotsarotra ny toe-bolan’ny senatera. Nisy fotoana filankevitra ambonin’ny tetezamita no nisolo azy io. Rehefa lasa io dia vaomiera teknika ihany no teto, hoy hatrany ny filoha. Ny fivahinianana any ivelany aza dia mianto-tena ny filoha lefitra satria izy ihany no afaka misolotena ny antenimiera any ivelany. Averina aminy anefa ny vola rehefa manana ny antenimiera. Nampanantena anefa ny minisitry ny tetibola sy ny fitantanana fa ho ara-dalàna io toe-bola io amin’ny 2017 raha ny fantatra omaly.

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT