Actualités

Antenimieram-pirenena Voakiana fa tsy manaja fotoana ireo solombavambahoaka


  • Alakamisy 23 Oktobra 2014

Tsy tanteraka hatramin’ny farany fa najanona an-tenantenany ny fivoriambe voalohany azon’ny besinimaro atrehana ao anatin’izao fivoriana ara-potoana faharoan’ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza izao

Nifanarahan’ny maro an’isa tamin’ny tsangan-tanana omaly fa horavana ny fivoriana ary hotohizana anio alakamisy 23 oktobra manomboka amin’ny 10 ora maraina indray. Ny antony dia noho ny andro efa mandroso mihamaizina ka nisy nangataka ny hanemorana azy. Teo amin’ny fandraisam-pitenenana no nanakianan’ny depiote vitsivitsy tao an’efitrano fivoriana fa tsy mpanaja fotoana loatra ry zareo solombavambahoaka ankehitriny miainga anyamin’ny filoha sy ireo mpikambana amin’ny birao maharitra ka hatrany amin’ny depiote tsotra. Mila mifanaja izany isika mianakavy manomboka eto, hoy ny filoha Rakotomamonjy Jean Max, ka samy mba ho tonga ara-potoana fa hanomboka amin’ny 10 ora tsy diso ny fivoriana ato an-dapa rahampitso alakamisy 23 oktobra (anio), dia iangaviana koa mba hipetraka amin’ny toerana misy azy ireo depiote mitsangantsangan-dava miedinedina isan’andro ho fanajana ny namana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT