Niroso tamin’ny Atrikasa momba ny Vondrom-bahoaka ho an’ny Fampandrosoana izay nokarakarain’ny EISA (Ivon-toerana momba ny fifidianana aty Afrika Aostraly) ireo Solombavambahoaka ny Talata 16 mey 2017 teo.
Ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena Hanitra Razafimanantsoa, Filoha misolo toerana ny Filohan’ny Antenimierampirenena, izay lasa namita iraka any ivelany no nitarika ny Fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina. Rabialahy Andriambololona kosa no natolotry ny EISA hitarika izao Atrikasa izao izay nahavory Solombavambahoaka maro tokoa. Nivoitra tamin’izany fa ny Vondrom-bahoaka hoan’ny Fampandrosoana dia natao indrindra hanatsarana ny faritra iadidin’ny Solombavambahoaka ary « gestionnaire du projet », izany hoe mpitantana sy mpandrindra ny tetikasa izy amin’izany fa tsy « gestionnaire de fond » na mpitantana ny vola natokana ho amin’ny tetikasa. Noho izany dia nitsipaka ny andraisan’ny PRMP ny fitantanana ny tetikasa izy ireo noho ny fahalavan’ny dingana izay miteraka fahasahiranana eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Omaly Alarobia 17 mey no ihany koa dia nanao fitsidihana ara-pomba fifanajàna, nitohy tamin’ny dinik’asa ny « Chargé de Programme, Missionnaire du Programme des Nations Unies pour l’environnement », Moussa Barry sy ireo mpiara miasa aminy. Nivoitra ny fanentanana ny Solombavambahoaka Malagasy ny amin’ny fandaniana ny « Amendement de Kigali sur les HFC(Hydrofluorocarbones) » sy ny fanatanterahana ny « Programme Ozone de Pays ».
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.