Vita omaly teny Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia famatsiam-bola avy amin’ny Agence Française de Développement (AFD) hanohanana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Antananarivo, hananganana sekoly ambony momba ny teknôlôjian’ny fifandraisana (ESTI).
Tetikasa iarahany miasa amin’ny vondron’ny mpandraharaha misehatra amin’ny teknôlôjian’ny fifandraisana sy ny serasera (GOTICOM). Manodidina ny 2 tapitrisa euros ny famatsiam-bola, tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ny tranon’ny Antenimieran’ny Varotra eo Antanimena sy ny fampandehanana ny ESTI.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.