Actualités

Antaritarika-Tsihombe Olona dimy isan’andro matin’ny kere


  • Alakamisy 18 Febroary 2016

Manjaka ny hain-tany, migaingaina ny hafanana, ritra ny rano, tsy misy ny hanin-kohanina.

 

 Refona tanteraka ny mponina ary mihamafy ny olan'ny kere any Atsimo. Ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antaritarika, distrikan’i Tsihombe, dia olona dimy isan’andro eo ho eo no matin’ny kere. Torak’izany koa ny ao amin’ny kaominina Anjapaly sy Faux Cap, izay mbola any amin’ity distrika ity, hoy ny loharanom-baovao marim-pototra, ary misy olona tsy misotro rano telo andro. Efa mihalany ny raketa satria samy mihinana izany na ny olona na ny biby fiompy. Vokany, mitsoaka miakatra ny tanàn-dehibe ireo sisam-paty mivarotra ny fananany mba ahafahana mividy sakafo. Raha ny fantatra, araka io loharanom-baovao io ihany, izay nohamafisin’ny mponina iray avy any an-toerana, Atoa Tsiraiky, nitafa sy nitantara tamin’ny mpanao gazety tao Toliara ny zava-misy any amin’iny faritra Androy iny, dia tafakatra 6 000 ariary ny kilaon'ny mangahazo any amin'ny faritra ambanivohitra sasany, nefa tsy manam-bola intsony ny ankamaroan’ny olana ka miandry fahafatesana fotsiny sisa. Nanolotra vola 10 020 990 ariary, vary 60 gony, voamaina 32 gony ary friperia 59 lasaka ho an’ireo ianjadian'ny kere moa ny faritra Atsimo Andrefana.

Eric R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT