. Teny Antaninarenina no nahatrarana azy ireo teo am-panaovana ny asa ratsiny. Mangarom-paosy izy ireo rehefa mahita olona atao an’izany ary rehefa tsy mahita dia misoloky olona amin’ny finday savony, izany hoe ataony anaty “house” ny savony ary fisahana mitovy amin’ny finday
. Ity farany avy eo no hamitahan’izy ireo olona ka hamidy 40.000 ariary izany. Nahitana telefaonina tactile tany amin’izy ireo nandritra izany, izay fantatra fa vao azony tao anaty paosin’olona teny amin’ny tohatohabaton’Ambondrona ary saika hamidiny teny Antaninarenina. Niaiky izy ireo tamin’ny famotorana natao azy fa efa olona 12 na 13 teo ho eo no efa voany tamin’ilay fisolokiana finday tamin’ity volana desambra ity. 26 taona sy 27 taona izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roalahy.
Pati
Légende : Izy roalahy mpisoloky tratra teny Antaninarenina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.