Mila fepetra hentitra ny fandaminana ny fifamovoizana ao Antaninarenina amin’ny alina mandritra ny faran’ny herinandro.
Mandreraka, mahatezitra ary mampisafoaka mihitsy satria dia mitohana tahaka ny andro antoandro amin’ny toerana hafa. Feno fiara mijanona mantsy ny ilany roa ary ataon’ny mpiambina eny an-toerana fitadiavam-bola. Raha tsy mifandefitra ny roa tonta dia maharitra ny fitohanana, indrindra fa fiara vaventy no mifanena. Raha any Antaninarenina izany no farmasia mpiandry raharaha dia mety ho maty tsy voavonjy ny havanao noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny, nefa toerana saro-pady iny faritra iny noho ny fisian’ny lapam-panjakana sy foiben’ny Banky Foibe ary Tahirimbolam-panjakana ankoatra ireo minisitera sy banky tsotra samihafa. Nankaiza ny vokatr’ilay RRI nanaovana angoan-tenda e ? Toa tena tsy voafehin’ny mpitandro ny filaminana eto amintsika mihitsy ity amboteazy ity na andro na alina !
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.