Actualités

ANTANIMENA Vehivavy iray teraka teny an-dalambe


  • Talata 27 Oktobra 2015

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 18 taona eo ho eo izay mbola tena vaton-jaza tokoa no teraka an-dalana teny Antanimena omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora.

 

  Nandehandeha toy ny  fanaony mahazatra izy io no teraka tampoka raha araka ny fanazavana azo noho ny tsy fananany trano fonenana  raha eo ihany koa  ny tsy fananany olona akaiky azy. Olona sendra nandalo teny amin’ny manodidina no nampandre avy hatrany ny mpamonjy voina ka tonga naka azy mianaka ireto farany. Vavikely ilay tsy manan-tsiny izay marihina fa salama tsara na dia zaza voalohany aza. Naterina avy hatrany teny amin’ny hopitaly Befelatanana izy mianaka ireto ary efa nahazo ny fikarakarana sy ny fitsaboana sahaza azy. Tsiahivina moa fa ankoatra ny olona torana na mianjera eny an-dalana dia anisan’ny hiantsoan’ny olona ny mpamonjy voina tahaka izao ny vehivavy teraka an-dalana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT