Hasomparana sa halatra ankitsirano ? Manjavona andro aman’alina ireo fefy vy makarakara nanodidina ny zaridaina Antanimbarinandriana-Boriborintany faha-4, manelanelana ny CEG sy ny Kianjaben’i Mahamasina.
Efa ny antsasany mahery no tsy tazana amin’ny toerany intsony raha ny sabotsy teo. Mahalala io tranga io ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra raha nanontaniana ary mametra-panontaniana ny anton’izao nefa misy kaomisarian’ny polisy tsy lavitra eo. Nanome endrika iny toerana iny ny fisian’ny fefy tamin’iny zaridaina iny. Resaka toe-tsaina mirefarefa, tsy mba tia manan-javatra tsara, indrindra fa fananam-bahoaka raha hasomparana no nanongotana ny fefy teo. Raha halatra kosa dia mendrika sazy henjana izay tratra, na mpangalatra na mpividy halatra, satria fananam-bahoaka no simba. Ny manodidina ihany koa tokony ho saropiaro amin’ireny, satria volam-vahoaka no nanaovana azy ka ilaina ny fifampitaizana amin’ny fikajiana azy ireny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.