Tao anatin’ny lanonam-panamarihana ny andro eran-tanin’ny trano honenana omaly izay notontosaina tany Moramanga no nisehoana tranga hafa mifanipaka amin’ny foto-kevitra hijoroan’ny fanamarihana tany an-toerana.
. Olona an-jatony iray tanàna tao Antanifotsy kaominin’i Mandialaza any amin’ny distrikan’i Moramanga mantsy no notongavan’ny vadintany niaraka tamin’ny mpitandro filaminana ka nitondran-dry zareo didy avy amin’ny fitsarana ny hialan’izy ireo tsy misy hatak’andro amin’ity toerana efa nifandimbiasan’ny taranak’izy ireo nonenana hatramin’ny fanjanahantany ity. Olona 4 mpiray fasana amin’izy ireo ihany no nahazo taratasy fanamarinana sadasada na sandoka mihitsy aza, araka ny filazan’ireto fokonolona ireto ka mitady hibodo samirery ny toerana manontolo na ny misy ny fonenana na tanimbary na misy fambolena hafa an-tanety hatramin’ny tendrombohitra misy hazo koa aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.