Mitaitain-dava toy ny sahobakaka am-bodiriana amin’izao fotoana izao ireo mponina ao Ambatomaro.
Misy olon-tsotra mitady haka mantsy ny lalam-pokonolona ao amin’ny faritra Antanety, Fokontany Ambatomaro ao anatin’ny Boriborintany fahadimy, lala-masaka efa nisy hatramin’izay mandalo sy mamakivaky tanàna maro mandalo ny tambohon’ny fiangonana advantista ao Soamanandrariny. Antonona fiara io lalana io, fotodrafitrasa efa nampiasain’ny mponina teny an-toerana nandritra ny 40 taona, raha araka ny fanazavan-dRakotonirina Jean Pierre, mpitondra tenin’izy ireo sady ananan’izy ireo taratasy ara-dalàna avy amin’ny fitsarana ny nanolorana azy ho “utilité public” ny 23 martsa lasa teo. Miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny mponina mba hijery akaiky ny zava-misy. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia olon-tsotra nangataka tanim-panjakana io mitady haka ny arabe io. Tsy manaiky izy ireo fa tadiaviny halaina hatramin’ny arabe manoloana azy sy ny aoriany, antony nampitroatra ny mponina. Nambarana raim-pianakaviana iray izay mponina eny an-toerana fa efa nahitana fihenany io lalana io noho ny fakan’ireo olon-tsotra ireo ny tany sahady.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.