Ny trano nohavaozina, ny fitaovana feno, ny kilonga niantohana saram-pianarana. Hafaliana ny an’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ao Antanetikely,
Arivonimamo II ny sabotsy teo, nandray ny fanomezana avy amin’ny depioten’Arivonimamo Rakotomanjato Rodin mivady. Noraisin’ireto farany an-tanana ny fanavaozana sy fanatsarana ny fotodrafitrasan’ny EPP, narahina fampitaovana toy ny dabilio, kilalao, hatramin’ny fitaovam-pianarana, ary aron’akanjo ahafahan’ireo katitakely ao amin’ny “Préscolaire” mianatra toy ny zana-bahoaka rehetra. Noraisin’izy ireo an-tanana ihany koa ny saram-pidiran’ny mpianatra ao, ho fampirisihana ny ray aman-dreny hazoto hampiditra an-tsekoly ny zanak’izy ireo. Ny fianarana rahateo no lova tsara indrindra ho an’ny taranaka, ary any ifotony dia efa beazina sy zarina amin’ny lalantsara tokony hizorany ny ankizy. Nitarika ny solontenam-panjakana nitokana ny zava-bita teny an-toerana ny Tale jeneralin’ny fanabeazam-pirenena, Dr Andriamampandry Todisoa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.