Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka ny Antandroy mivady, tratra nampiditra osy 6 tao an-tanŕnan'i Mahitsy, lalŕm-pirenena faha-4 tamin’ny sabotsy 25 martsa hariva teo raha tsy nalaky tonga teo amin'ny toerana akaikin'ny Accčs banque, vao miditra ny tanŕna ny filohan'ny fikambanan'ny Manendy, Maminiaina Johnny, izay nisy niantso rehefa nihanafana ny raharaha.
Nasainy nalefan'ny tompony ivelan'ny faritra ireo biby ireo vao nilamina ny fokonolona. Marihina fa fady ny odiandro ao amin’ny kaominin’i Mahitsy sy Ampanotokana iny ny fampidirana sy fandatsahan-dra ny osy. Tsy ekena satria efa nampitondra faisana ny fiarahamonina an-taonany maro. Niova ny toetr'andro hatramin'ny nanaovan'ny fikambanana sorona fanadiovana amin’ny ota fady tao Anosivola tamin’ny volana febroary lasa teo nefa izao tadiavin’ny sasany hotana fady izao indray. Nampitandrina ny foko Manendy fa ho hentitra amin’ny fampiharana ny fadin-taniny manomboka izao ary tsy handefitra amin’izay tratra mandika izany. Efa nisy fifanarahana nifanaovana tamin’ny filohan'ny fikambanana Antandroy sy Manendy amin’izao fepetra izao tamin’ny volana febroary ho an’ny kaominina Ampanotokana sy Mahitsy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.