Actualités

Antandrokomby-Anosizato Andrefana Niditra an-tsekoly ny omby


  • Sabotsy 22 Oktobra 2016

Niditra an-tsekoly ny omby omaly maraina teny Anosizato Andrefana.

 

Omby iray izay saika hovonoina teny  an-toerana no tafaporitsaka teo am-pamotorana azy ka niditra avy hatrany tao an-tokotanin’ny sekoly  ambaratonga fototra Antandrokomby Anosizato Andrefana ihany. Nifanehitra indrindra tamin’ny fotoana nakan’ireo mpianatra rivotra  anefa izany ka nisavoritaka samy nanavotra ny ainy ny rehetra.  Ny fokonolona sy ny tompon’omby teo an-daniny  niezaka ny nifanome tanana ihany koa ka ilay tady teny amin’ny tandrok’ilay omby no nezahina nampidarabohana  ity biby ity  izay avy any Mahasolo Tsiroanomandidy no nakana azy. Tsy mbola nijanona ihany anefa ilay omby ka voatery notapahina mihitsy ny tongony ilany. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Ny hany nanaovan’ny talen-tsekoly ao an-toerana Randrianjafy Ellidio  antso avo sy fanentanana dia ny mba tokony  hamefena  manontolo  ity sekoly EPP  iray ity hiarovana ny ain’ny mpianatra amin’ny voina  tampoka tahaka izao.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT