Actualités

Antananarivo tsy misy mpivarotra amoron-dalana Ankasitrahan’ny olona


  • Alakamisy 28 Janoary 2016

Nitarika resabe tsy niato tato ho ato ny mikasika ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana manerana ny Boriborintany enina eto an-drenivohitra

 

. Samy nanana ny fomba fijeriny ny tsirairay saingy anisan’ny hevitra hitovizana kosa ny fahatsapan’ny tsirairay ny fahafahana miaina kokoa, lavitry ny fitohanana sy ny mpangarom-paosy, indrindra rehefa mandalo eny Analakely sy Behoririka. Ampahany amin’izany ireto olon-tsotra sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto.

Hery M : Na ilay teny gasy hoe : fanadiovana sy fandaminana fotsiny aza dia efa tsy misy maharatsy azy. Efa fandeferana be aza no hataon’ny kaominina hampidirana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna hanjary ho ara-dalàna. Ankoatra izay dia efa fitsinjovana ny maha olona ihany koa izany. Ho anay manokana izao, tena  manan-kavana  mpivarotra amoron-dalana izahay saingy ny fianakaviana rehetra no indray nandresy lahatra azy hoe : raha tiana handroso ny  firenentsika dia tsy maintsy hialana ny gaboraraka ka tokony  hiditra amin’ny ara-dalàna avokoa.

Mino, renim-pianakaviana niteraka iray : Ho anay renim-pianakaviana aloha dia tena hitanay mihitsy ny tsirony e ! tsy misy fitohanana intsony eny Analakely sy Behoririka  rehefa handeha ho any am-piasana. Ankoatra izay lasa voahaja ihany koa ny lalàna ho an’ny mpandeha an-tongotra tokony hampiasain’ny rehetra  fa tsy ohatra ilay teo aloha intsony. Farany dia tsy mitebiteby firy amin’ny  mpangarom-paosy intsony koa eny an-dalana sy  any anaty bus fa tena madio ny tanàna e !

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT