Actualités

Antananarivo Tsy ampy lanja ny 20%-n’ireo zaza latsaky ny 5 taona


  • Zoma 02 Desambra 2016

Mbola olana goavana ho an’ireo ankizy madinika manerana ny Nosy ny tsy fahampian-tsakafo. Ho antsika eto an-drenivohitra dia ny 20 %-n’ireo

 

 ankizy latsaky ny dimy taona no fantatra fa miaina ao anatin’ny tsy fahampian-danja vokatry ny tsy fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano raha ny 47 %-n’izy ireo no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka manerana ny Nosy. Antony nanosika ny Gret sy ny principauté de Monaco hanohana ny orinasa Nutri-zaza mpamokatra ny koba aina  izany hahafahana manohana ireo ankizy madinika miisa 12.000 eto an-drenivohitra. Manodidina ny 360.000 Euros ny vola hatontona amin’izany, tetikasa haharitra an-taonany amin’ireo fokontany miisa 30 eto an-drenivohitra. Raha araka ny fanazavan-dRafamantanantsoa Hasina, tompon’andraikitra eo anivon’ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo dia ny sakafo maimaika ankehitriny no tena mahasarika ny olona noho ny olana ara-potoana. Anisan’ny sakafo maika nefa mety ho an’ny ankizy ny koba aina, hoy hatrany izy. Tetsy 67 ha omaly no nanatanterahana ny sonia fifanekem-piaraha-miasa mifandraika amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT