Actualités

Antananarivo Tena nilaharana ny solika


  • Talata 22 Oktobra 2019

Hatramin’ny alim-be omaly dia mbola nilahatra lasantsy ny olona teto Antananarivo Renivohitra.

 

 

 

 Ny fanazavana ofisialy hatreto dia ny hoe tara ny sambo mpamatsy solika. Tsy misy mino izany anefa ny olona satria efa fantatra fa fomba iray entin’ny fivondronan’ny mpivarotra solika mba hanehoana ny tsy fahafaliany izao tranga izao. Tafiditra ao anatin’izany fanapahan-kevitra ny hanalana azy ireo tsy hamatsy solika intsony ny Jirama fa hoe hafarana avy hatrany ny solika mampihodina io orinasam-panjakana io.Nanamafy moa ny vondron’ireo mpivarotra fa ampy tsara ny tahiry ary tsy tokony hisy hampanahy. Mitoetra hatrany anefa ny ahiahin’ny mpanjifa ka izay no nahatonga ny filaharana maro omaly. Izay olona nanontaniana dia nitsotra hoe : na ahoana na ahoana ambara dia aleo mailo ka manangona solika hatrany aloha satria efa tsy fantatra be ihany ny zava-mitranga eto. Ho hita eo indray izay hitranga anio. Etsy an-danin’izay, mahoraka be ny  fikasan’ny olona akaikin’ny filoham-pirenena ny hanangana fivarotan-tsolika iray eto Madagasikara. Mety misy ifandraisany amin’izao zava-mitranga izao ve izany ?

 

RTT

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT