Dibo-drano tanteraka sahady ny faritra maro teto Antananarivo vokatry ny rotsak’orana omaly talata 1 oktobra.
Ampahany amin’ireny Anosy, Andrefan’Ambohijanahary, Soanierana, Ampefiloha, Andravoahangy, Besarety, Manakambahiny, tonga hatrany Andranonahoatra Itaosy, Anosizato, Ampitatafika…toerana nisy fanamboaran-dalana tato anatin’ny volana maro ny ankamaroan’ireo. Lasa sangisangy zary tena izy ny hoe : tanteraka ny velirano. Velom-panontaniana ihany koa ny maro hoe f’angaha moa tsy efa hita indray ny vahaolana amin’ny rano mandifotra arabe rehefa fahavaratra satria izay no anton’ny fanamboaran-dalana sy sisin-dalana e ? Tamin’ny fiomanana hahatongavan’ny Papa Ray masina, dia haintsika ny niomana sy nampiseho endrika fahadiovan’ny tanàna, firindran’ny fiainana andavanandro. Efa olana foana ny fisiana toerana dibo-drano rehefa fotoana tahaka izao fa mba aiza ny fiomanana ? Sao hanilika andraikitra amin’ny mpitondra teo aloha fa ianao izao no eo. Volana janoary 2019 i Andry Rajoelina no nandray ny fahefana, nahavita famindram-pahefana mazava tsara tamin’ny filoha teo aloha. Tahaka izany ihany koa ny praiminisitra sy ireo minisitra rehetra ka tsy hisy hiala bala kosa angamba. Mbola vao fanombohana dia efa izao. Mihazakazaka ny fanotorana tany etsy sy eroa, izay mety ho tetikasa goavana nahazo alalana avy amina tompon’andraikitra ara-panjakana ambony eto amin’ny firenena. Orana sokajiana ho tsy dia mahery vaika loatra kanefa dia ireny sahady ny vokatra naterany, mainka fa handeha ny fanotorana an’i Betsimitatatra izay hivarinan’ny ranon’Antananarivo sy manalefaka ny fahavoazana ho an’Antananarivo Renivohitra. Mipoitra ny voka-dratsin’ny gaboraraka dia fanorenana tsy ara-dalàna, fanariana fako anaty lakan-drano. Iny eo ihany fa mampieritreritra lalina sy mahatonga saina ny tranga omaly fa dia arakaraka ny hoe hanova sy hanamboatra vao miha niha ratsy sy dibo-drano ny iray tanàna..
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.