Actualités

Antananarivo, tanàna teknolojika


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

 

 

satria dia manana fifandraisana mivantana roa amin’ny internet manerana izao tontolo izao. Etsy an-daniny, manana ireo teknisianina avo lenta ihany koa isika. Efa malaza manerana izao tontolo izao izany fahaizantsika izany. Misy miasa any Frantsa, Kanada, ary maro be ny atsy amin’ny nosy Maorisy. Misy mihitsy ary ny tafiditra ao amin’ny Apple ao Cupertino any Etazonia.

 

Tanàna Filamatra

 

Eo no mampitsiry ny hevitra hoe nahoana moa raha andao hataontsika tanàna filamatra ara teknolojika i Antananarivo ? Azo asiana irony “camera de surveillance” irony isaky ny kihon-dalana, ka hahafahana mampihena tanteraka ny tsy fandriampahalemana manerana ny tanàna. Amin’izay fotoana izay dia azo jerena amin’ireo tahirin-tsary raha sanatria nisy fanafihana niseho nahazo ny olona na ny tokantrano na ny toeram-pivarotana iray. Izany dia hanampy be ireo mpanao ny famotorana. Azo ampiasaina ihany koa anefa amin’ny fitiliana ny tohana izany satria amin’ny alalan’ny “internet” dia azo atao ny mijery mivantana na “en direct” ny hamaroan’ny fiara amin’ny toerana iray. Amin’izay fotoana izay dia afaka hisafidy ny lalana mahomby indrindra ny mpamily ary koa hanampy ireo mpandrindra ny fifamoivoizana amin’ny fitadiavana ny anton’ny fitohanana. Etsy an-kilany koa anefa dia azo heverina ny hametrahana irony tambanjotra “internet” irony ho an’ny daholobe amin’ireo toerana kalaza sy be olona. Izany dia hahafahana manabe ny mponina, indrindra hahafahan’izy ireo mifampizara vaovao amin’ny rehetra. Inoana sy antenaina fa hisy amin’ireo orinasa lehibe mpanome tambajotra no hiara-kiasa sy hanohana izany hevitra izany. Rehefa hita fa mahomby sy azo tanterahana izany dia hoentina zaraina amin’ireo tanàna manerana an’i Madagasikara. Mety ho lasa ohatra mihitsy isika eto Afrika fa sady hihena ny tsy fandriampahalemana sy ny fitohanan’ny fiara no ho lasa tanàna mandroso !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT