Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay dia nirongatra ny hala-jaza teto Antananarivo sy ny manodidina
Ny faran’ny herinandro teo iny izao dia miisa efatra be izao ny fitarainana mahakasika ny trangana hala-jaza hita. Tsiahivina fa ny alakamisy teo fotsiny dia miisa roa ny tranga hita dia ny teny Itaosy sy Ambohidratrimo izany. Teo ihany koa ny tranga teny Tanjombato sy ny manodidina azy iny. Omaly dia re ihany koa fa mbola nisy ny zaza very teny Imerintsiatosika teny. Raha ny fanazavana voaray dia olona mitondra fiara 4x4 mainty no tonga dia naka an-keriny ilay zazalahy kely, avy eo nofatorana tongotra aman-tanana ary ilay mpangalatra kosa vao nahita ny olona nikoropaka dia vaky nandositra ary tsy hita hatramin’izao. Manoloana ny zava-misy dia tsy vitsy ireo ray aman-dreny no maneho ny fitaintainany ka manahy ny amin’ireo zanany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.