Vao nirotsaka dia nanimba zavatra. Tsy ny rano fotsiny no nameno arabe, toy ny fahita mahazatra teto an-drenivohitra rehefa avy ny orana,
fa nanimba zavatra izany tamin’ny faritra sasany vokatry ny fifofofofon’ny rivotra nialoha ny rotsak’orana avy eo narahina havandra madinika tamin’iny Boriborintany fahefatra iny. Nisy tafo niendaka, takelaby misy dokambarotra rovitra sy nidaraboka tamin’ny arabe, eny fa hatramin’ny tamboho aza nirodana toy ny nitranga tetsy Antanimena, manoloana indrindra ny sekolin-dry Masera Notre Dame. Potiky ny rivo-mahery ary niongatra ihany koa ny lakroa lehibe eo amin’ny tilikambon’ny EKAR Antanimena.Soa fa efa tamin’ny fotoana niravan’ny mpianatra no nitrangany, raha tsy izay mety ho zava-doza no nitranga. Hatramin’ny fiaramanidina aza tsy tafapetraka teny Ivato omaly fa maizin-kitroky ny orana ny habakabaka, hany ka voatery nihodina aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.