Actualités

Antananarivo Renivohitra Ny 40 %-n’ny mponina ihany no mandoa hetra ara-dalŕna


  • Alarobia 09 Novambra 2016

Tena malaina mandoa hetra ny mponin’Antananarivo Renivohitra amin’ny ankapobeny.

Ny 40 %-n’izy ireo ihany mantsy no fantatra fa mandoa hetra ara-dalàna, hoy Razaoherisoa, tompon’andraikitra iray  eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ankoatra izay, misy minia tsy mandoa mihitsy na tsy manana ny hoenti-manana ankoatra ireo matahotra ny hiditra birao. Natomboka omaly talata 8 novambra tao amin’ny lapan’ny lalana  ilay hetsika iray volan’ny hetra  nokarakarain’izy ireo.  Betsaka ireo  tonga nanohana ny antso tamin’ny ankapobeny, fanefana hetra izay marihina fa tsy misy sazy. Nambaran-dRazaoherisoa fa  raha tsy tonga manefa ny hetrany ireo voakasik’izany hatramin’ny fahavalon’ny volana desambra dia hisy avy hatrany ny fepetra horaisin’ny kaominina toy ny fanenjehana ny tompon’ny trano, araka ny lalàna. Arahin’ny fandoavany sazy izany izay manodidina ny 40 ka hatramin’ny 60 %-n’ny vola tokony haloany. Misy amin’ireo manana trano eto an-drenivohitra no nipetra-potsiny tsy nandoa hetra hatramin’ny taona 2008 no ho mankaty.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT