Actualités

Antananarivo Renivohitra Nifampitadiavana nandritra ny ora iray ny lasantsy


  • Talata 11 Desambra 2018

Fanatafintohinana, tebiteby no niainan’ny vahoakan’Antananarivo omaly nanomboka tamin’ny 12 ora antoandro teo. Izay tobin-dasantsy naleha rehetra dia nilaza ho tsy manana solika avokoa fa miandry ny mpamatsy.

 

 Tsy vao omaly no nisian’ity fahataperan’ny solika amin’ireo toby mpamatsy lasantsy tampoka ity fa efa tamin’ny sabotsy lasa teo ary nisy filaharana lavareny mihitsy. Rehefa nanontaniana ny tobin-tsolika iray sendra ny mpanao gazetin’ny tia tanindrazana dia nanambara fa misy andiana olona maro sy orinasa vitsivitsy mividy solika betsaka tsy tahaka ny mahazatra noho ny fanahiana ny tsy fisian’ny solika. Mividy an-jatony litatra izy ireo ary saika mitety ireo toby samy hafa mihitsy. Olana anefa, hoy izy ireo ny fitohanan’ny fiarakodia eny an-dalana ka mahatonga ny famatsiana ho ela vao tonga na dia efa mandray andraikitra avy hatrany aza izy ireo ny amin’ny fiantsoana ireo fiarabe mpamatsy. Mananontanona faran’ny taona isika izao ka asa indray ny zavatra hisy. Efa nampandalovina fiakarana vidin-tsolika ny Malagasy dia ho sanatria ve hosahiranina amin’ny fitadiavana lasantsy eran’ny tanàna indray ? Manginy fotsiny ny fiakaram-bidin’entana misoko tsimoramora izay efa mahazo ny ativilanin’ny Malagasy. Variana amin’ny fifidianana sa tsy te hahalala intsony ireo tompon’andraikitra ?

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT