Actualités

Antananarivo –renivohitra Miverina mivangongo indray ny fako


  • Zoma 22 Janoary 2016

Tsy niherina akory ny volana nilazan’ny ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana ny tokony hiandraiketan-dry zareo amin’izay ny fanalana ny fako eto an-drenivohitra ka nahatonga ny tale

 

jeneralin’ny orinasa Samva nidina nanara-maso ifotony ny asa fanalana izany fako izany dia indro fa tazana miverina mivangongo indray ankehitriny ny fako arian’ny olona eny amin’ireo dabam-pako. Niantso ny fivorian’ny filan-kevim-pitantanan’ny Samva mba handaniana ny tetibola 2016 moa ny praiminisitra, fa mandra-piandry izay ve izany dia hiavosa indray ny fako ? Dia tena efa mahazatra ity fitondrana ankehitriny ity mihitsy ny misehoseho ivelany sy manao indray mielatra amin’ny zavatra atao ka zary tsy mahefa n’inona n’inona akory fa manome tsiny sy manilika andraikitrafotsiny avy eo.

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT