Actualités

Antananarivo Renivohitra Miroso hatrany ny fanadiovana ny tanŕna


  • Alarobia 02 Novambra 2016

Tsy mikely soroka amin’ny politika fanadiovana ny tanŕnan’ity renivohitr’i Madagasikara ity ry zareo eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

 

 Miseho amin’ny endriny maro ny fanadiovana. Ao ny fanadiovana ny rafi-pitantanana misy ao aminy amin’ny ankapobeny. Ao koa ny fanadiovana ny tanàna ara-bakiteny amin’ny fanentanana ny olona hanara-dalàna hiala amin’ny fomba gaboraraka fanao teo aloha. Tazana tamin’ny faran’ny herinandron’ny volana oktobra teo ary ny famerenana ny fanadiovana amin’ny rano mihitsy, toy  ny tamin’ny andro nitantanan’Atoa Marc Ravalomanana ity tanànan’Iarivo ity, ireo toeram-pivarotana ao Analakely ao, natomboka teny amin’ny Pavillon Analakely. Tsy nisy ny nanohitra ny olona fa samy nikisaka nanala ny entany tsimoramora rehefa mandalo ny rano be manondraka ny tsena.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT