Taorian’ny namoahan’ny Ben’ny tanŕna didim-pitondrana voalohany mandrara ny fitaomana ranontany sy fanotofana tany eto Antananarivo Renivohitra dia nitety kartie amin’ny faritra iva ireo depiote Tiako i Madagasikara voafidy teto an-drenivohitra nijery ireo asa maika hatao mialoha ny hiavian’ny orana, hisorohana ny loza ateraky ny tondradrano.
Tao amin’ny Boriborintany voalohany dia nitarika ekipa nitety an’Ambodirano Ampefiloha, La Réunion Kely, Andranomanalina sy Manarintsoa Isotry ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Hanitra Razafimanantsoa sady solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo voalohany. Fantatra tao anatin’izany fa paompy fitrohana rano, 2 amin’ny 4 no hany mandeha ao Ambodirano. Nitarika ny ekipa nanao fitsirihana tao amin’ny Boriborintany fahadimy ny Kestora fahatelon’ny Antenimieram-pirenena sady solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo fahadimy Guy Rivo Randrianarisoa. Ny hita amin’ny ankapobeny dia mihamarivo ireo tatatra fivarinan’ny rano eto Antananarivo, toa an’Andriantany ka mora tondraka. Ny paompy mpitroka rano koa simba, ny hany mba mandeha mitroka ranom-potaka. Nanao tatitra avy hatrany any amin’ny Ben’ny tanàna ny zava-misy izy ireo taorian’ny fitsirihana, handrafetana ny asa maika hatao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.