Tontosa omaly tao amin’ny Lapan'ny tanŕna Analakely ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa AMETIS,
amin’ny fampiasana “hologramme”, hiadiana amin’ny hosoka sy hanatsarana ny fomba fitantanana eo anivon'ny tanàna. Hampiasana “hologramme” ny fanomezana taratasy fanomezan-dalana hanorina trano na "permis de construire", "licence de capacité" ho an'ny fiara mpitatitra, ny "vignette" amin'ny "contre visite" ary ny tapakila ho an'ny mpivarotra hanatsarana ny fampidiram-bolan'ny Kaominina.
Teknolojia avo lenta ny "hologramme" izay misoroka tanteraka ny hosoka. Hahafahana miady amin'ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny mpivarotra amoron-dalana ary ny gaboraraka eo amin'ireo fiara mpitati-bahoaka. Nanambara ny Ben'ny tanànan'Antananarivo, Lalao Ravalomanana, fa miezaka manome sy mametraka zava-baovao foana amin'ny fanarenana ny renivohitra. Nolazainy ihany koa fa hatramin'izay dia be ny gaboraraka, manao izay tiany atao ny rehetra. Enga anie mba hitondra fanavaozana ho an'ny firenentsika, indrindra fa ho an'ny tanànan'Antananarivo io tetikasa io, hoy izy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.