Actualités

Antananarivo Renivohitra Liana amin’ny fandraharahana ny ankamaroan’ny tanora


  • Alatsinainy 21 Novambra 2016

Liana amin’ny asa fandraharahana ny ankamaroan’ireo tanora eto an-drenivohitra.

Nanaporofo izany ny hamaroan’ireo tonga tetsy amin’ny LMA Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo, namarana ilay hetsika herinandron’ny fandraharahana nokarakarain’ny JCI Iarivo sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny tena nivaingana ny fahatongavan’ireo mpandraharaha miisa fito tena goavana eto an-drenivohitra izay nizara  ny  tantara niandohany sy ny nofinofiny tamin’ireo nanatrika ny fotoana, toy ny mpitantana sady tompon’ny orinasa Vidy Varotra, ireo vehivavy mpisehatra amin’ny fanaingoana tarehy sy fanjairana lamaody, ireo mpanao sakafo kalazalahy eto an-drenivohitra. Tamin’ny ankapobeny dia niainga tamin’ny zavatra kely avokoa izy ireo. Hery nanampy azy tamin’izany ny fitiavana hanao zavatra  sy ny finiavana ary ny risi-po. Asa goavana anisan’ny niantsorohan’ny JCI Iariavo talohan’io ny fanatanterahana  ilay tetikasa Business Bus izay  nitetezany  sekoly maro teto an-drenivohitra ny herinandro teo hahafahan’ny mpianatra miditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana rehefa vita ny fianarana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT