Nilamina tao anatin’ny fotoana fohy ny renivohitr’i Madagasikara nandritra ny fandalovan’ny Papa. Nadio ny tanàna, nirindra ny fifamoivoizana, tena nihatra ny lalàna,…
hany ka toa afaka tao anatin’ny fotoana fohy ilay gaboraraka sy tsy fanarahan-dalàna namantarana azy sy ny manodidina. Tsy niherina akory anefa ny andro, dia manomboka miverina amin’ny laoniny toy ny teo aloha ny zava-misy, tahaka ny fitohanana lavareny. Amin’ny ankampobeny, dia ny tsy fanarahan-dalàna no mahatonga an’ireny. Tsy azo tohizana ve ilay fandraisana andraikitra sy fampiharan-dalàna hentitra? Hita teto an-dRenivohitra nandritra ny mbola naha teto ny Papa, ohatra, ny fisian’ireny fiarabe mibata sy mitarika avy hatrany ireo fiara tsy manara-dalàna manembantsembana ny fifamoivoizana. Toa misy endrika fanomezana rariny ankolaka ny tsy ara-dalàna, kanefa ireny toe-javatra sy fandraisana andraikitra natao ireny no tokony ho fanombohana ny fandaminana sy ny fanajariana. Akaiky anefa ny fifidianana, ka mety tsy te ho ratsy eo imason’ireo ampahan’olona tsy ho faly amin’ny fikitikitihana azy, ka somary mitandrina ihany koa ny mpitondra isan-tsokajiny. Maro ny hankasitraka ny tena fampiharan-dalàna sy fandaminana tsy misy henamaso mba ho tombontsoan’ny besinimaro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.