Actualités

Antananarivo Renivohitra Ho ambohipihaonan’ireo Ben’ny tanŕnan’ny Ranomasimbe indianina


  • Alakamisy 20 Oktobra 2016

Hanampy ny tanŕnan’Antananarivo amin’ny fandraisana ny fivorian’ireo Ben’ny tanŕna avy amin’ny tanŕn-dehibe aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana amin’ny volana desambra 2016,


 ny avy amin’ny Filankevitra departemantaly atsy La Réunion. Nivoitra io tamin’ny fihaonan’ny delegasiona renioney tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, ny talata teo. Nilaza ny filoha lefitry ny Filankevitra departemantaly, Daniel Gontier izay nitarika ny delegasiona renioney fa anisan’ny noresahana ny filana sy ny olana ary ny vahaoalana ho an’ny tanànan’Antananarivo amin’ny fampiantranoana io fivorian-dehibe amin’ny volana desambra io. Hiara-kiasa koa ny roa tonta amin’ny fiarovana ny olona amin’ny fahamaizana sy ny amin’ny afo ary hifanohana eo amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza sy ady amin’ny fahafatesan’ny zaza. Hijery paikady miaraka ihany koa Antananarivo sy La Réunion momba ny taotrano sy ny fandaminana ny tanàna ary ny tontolo iainana, mba ho fanatsarana hatrany ny tanànan’Antananarivo. Tao anatin’ity iraka ity koa ny avy amin’ny SDIS (Service Départemental de l’Incendie et Secours) La Réunion izay hiara-kiasa mandritra ny telo taona azo havaozina amin’ny mpamonjy voinan’ny tanànan’Antananarivo eo amin’ny sehatry ny famonjena voina.

Nangonini Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT