Actualités

Antananarivo Renivohitra Hentitra ny fanaraha-maso hanafoanana ny kolikoly


  • Alarobia 12 Oktobra 2016

Nitsidika tetsy amin’ny biraon’ny Boriborintany faha-4 Anosy ny Profesora James Robinson mivady ny talata 10 Oktobra 2016 maraina dia nojereny manokana ny momba ny fampidiram-bola avy amin’ny fanaovan-draharaha sy ny fotodrafitrasa anatanterahana ny asa.


 Taorian’izay dia tonga teny Ampangabe Anosipatrana ity manampahaizana manokana iraisam-pirenena momba ny fahaizamitantana ity nanadihady ny famatsian-drano ny mponina sy ny fitantanana izany. 50 Ariary no saran’ny rano iray daba eny an-toerana ary mampimenomenona ny mpanjifa izany satria heverin’ireo fa lafo loatra. Tao amin’ny Fokontany III G Hangar no namaranany ny tapak’andro maraina, nijery ny lakandrano sy ny lafiny fahasalamana sy fampianarana. Faritra iva anisan’ny be mponina ao amin’ny Boriborintany voalohany io Fokontany io. Misy ankizy 2000 eo tsy tafiditra an-dakilasy ao an-toerana noho ny tsy fananan’ny ray aman-dreny. Nazava ny resaka, ilaina ny hanafoanana kolikoly amin’ny endriny rehetra, satria tsy matoky intsony ny tamberin’adidy tandrify ny Kaominina ny Vahoaka. Be loatra ny kolikoly hany ka tsy mahavita manao asa ho amin’ny tombontsoa iombonana ny Kaominina. Saika eo amin’ny sehatra maro ao amin’ny Kaominina sy ny rantsa-mangaikany no ahitàna soritra io kolikoly io. Nilaza ny teo anivon’ny Kaominina tarihan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa efa misy ny ezaka ataon’ny mpanatanteraka, ary ho hentitra ny fanaraha-maso hanafoanana io kolikoly io. Hihatra tsy ho ela rahateo eo anivon’ny Kaominina ny paik’ady fanaraha-maso izay rehetra mahakasika ny fidiram-bola sy ny famoahana izany. Antananarivo no Renivohitr’i Madagasikara koa ilaina ny fisian’ny mangarahara eo amin’ny fitantanana mba tsy hisian’ny kolikoly, ary tezaina ho amin’izany koa ny mponina.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT